vakiniadiana

Categorie: Ankapobeny

Iray isika

rehefa tazanina avy eny an'habakabaka ny tany sy ny olona dia kely dia kely tokoa, tsy misy hanavahana ny tsirairay fa tafaray tokoa.  Fa maninona ary isika no  tsy miezaka hiray fa dia mbola tsy tombo isaina ny elanelana sy ny fankahalana misy ?     (tohiny)

Mitombo ny taona

Tena mitombo ny taona e ! 5 taona lasa izay, mbola antsoin'ny olna hoe : ilay bandy iny, mbola nahavita nivoaka boite matetika, mandaha fiara mafy.   @ izao efa ataon'ny olona hoe razoky, ny ankamaroan'ny mpiara-miasa miantso ny tena hoe monsieur. tsy dia mahasarika tanteraka koa ny...

ROJO

Rojo, anio maraina vao fantatro ny tena anarany nefa efa niserasera t@ solosaina tamiko efa ho 2 taona izay t@ forum iray izay. Androany maraina koa no henoko fa nodimandry tampoka omaly maraina izy noho ny aretina nahazo azy. Tonga saina aho fa zava-poana ihany izao rehetra izao fa ny...

Vontovorona

Izao avy matetika izao ny orana dia mahatsiaro ny fianarana teny Vontovorona taloha aho. rehefa mikija andro maromaro ny orana, dia efa fantatra fa efa ho tapaka indray ny lalana eo anelanelan'Ampitatafika sy Fenoarivo. rehefa tapaka moa ny lalana dia mandeha mamonjy an'Antananarivo ny...

Mpivaro-tena

Maty teny Anjohy ny fiaran'ny zandriko omaly alina, ka namonjy azy teny aho teo @ 10 alina teo. Nony voavaha ny olana tamin'ny fiara dia narahiko moramora avy aty aoriana izy mandra-pahatongany teny Andravoahangy. Avy eo moa aho dia nanatitra ilay namana iray teny Ampefiloha. teny an-dalana ho...

Ialahy

Ialahy no fitiavana niafiako hatramin'izay, aina tanjon'ny fiainako Ialahy no hery hifaharako rahatrizay, saina hampianatra ny lohako Ialahy no hamerina amiko izay nodisoiko raha nananatra Eritreritro manontolo, ny fiainako, natokako ho an'ialahy, natolotro ho an'ialahy lahitokako  ...

Taolagnaro

Taolagnaro, Toerana isan'ny tena ankafiziko eto Madagasikara. Mahafinaritra ah ny tsio-drivotra malefaka sy ny tora-pasika @ iny faritra Anosy iny. Manampy izany ny fihinanana crevettes betsaka sy ny siely    

Fahavaratra

Avy foana ny orana tatoato, efa ao anatin'ny fahavaratra tokoa isika @ izao. izao vanim-potoana izao no antsoina hoe mantso ahitra any ambanivohitra, tsy dia misy ny voly miakatra, ny lalana ratsy (vao vita t@ tapa-bolana izao ny lalana mankany @ tanananay), feno rano sy fotaka izay diavina....

Finoana

  Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy Tsy Andriamanitra mitoko, tsy mpanavaka foko Tsy mpijery harena na fiavim-pirenena   Fa ny Andriamanitra inoako, hantra sady honena Ka ny olon-drehetra mahazo azy Tsy mpizara alahelo, tsy...

Vakiniadiana

  Any atsinanana any no misy anaran-tany hoe Ambohiveloma Raha ny anaran-tany no tantaraina hatrany dia ho tapitra ho lany ny fotoana Ho tapitra ny fetra ry havana rehetra ka dia manao veloma Tsy ho mandrakizay fa mbola hihaona indray raha mihodina ny taona   Izay vitanay...

Tsy digniko

  Tsy digniko arô, tsy digniko ela Ny tsy hahita anao anaty ny andro maromaro Jerijery anao rô za malalako Ka izeny no mahatônga za mamangivangy anao matetika    

Omby

  Mahavariana ahy mihitsy ny fitiavan'ny Malagasy ny omby. @ faritra sasany eto Madagasikara dia betsaka ny olona tsy ampoizina hanana omby betsaka nefa dia manana. Rehefa nataoko aza ny kajy tsotsotra, ka jerena ny vidin'ny ombiny dia tena manankarena tokoa. Nefa aminy dia ilay...

Ra-Christopher

  Fony nianatra tao @ CEG Antanimena aho taloha dia nanana prof hoe ra-Christopher izay no anarany, mpampianatra tajefy izy, izay taranja nankafiziko tokoa. Nisy fomba filazany ny fahaleovan-tena izay mbola fomba fiteniko foana hatramin'izao. Ny fahaleovan-tena hoy izy dia toy ny...

Ambanivohitra

Variana foana aho rehefa mody any an-tanàna mijery ny fahatsoran'ny fiainana any, hita mihitsy ny elanelana misy eo @ renivohitra sy ny ambanivohitra. Tsapako tokoa fa betsaka ny rendrarendra izay ezahan'ny mponina an-drenivohitra ho azo no tsy misy dikany akory ho an'ny tambanivohitra....

Sigara

  Ny tenako foana no fanin-tsigara Mamono eritreritra andro aman'alina Mitady hamily ny lalan-tantara Kanefa vao mainka nihitsoka lalina    Miala tsiny @ RADO raha misy diso io nosoratako io    

Fanombohana

  Miarahaba antsika rehetra mamaky ity blaogy ity.   Saika tsy hanokatra blaogy aho fa tapa-kevitra ihany hanokatra mba hizara aminareo izay mba mandalo ao an-dohako ao. Koa dia aza raisina am-po loatra izay holazaiko ato fa dia eritreritra sendra mandalo no ho betsaka ato.  ...
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb