vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 06:58
Any atsinanana any no misy anaran-tany hoe Ambohiveloma
Raha ny anaran-tany no tantaraina hatrany dia ho tapitra ho lany ny fotoana
Ho tapitra ny fetra ry havana rehetra ka dia manao veloma
Tsy ho mandrakizay fa mbola hihaona indray raha mihodina ny taona
Izay vitanay androany tsarovinao hatrany fa souvenir ihany
Veloma dia veloma, veloma mbola hihaona, veloma dia veloma
Mahafinaritra ahy mihitsy ity hiran'i Erick Manana ity izay taranak'i Vakiniadiana toa ahy ihany koa. Ilay angorodao izany moa dia ahatsiarovako laladava ny jàmà sy ny dihy rehefa famadihana any an-tanàna.
vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 06:39
Tsy digniko arô, tsy digniko ela
Ny tsy hahita anao anaty ny andro maromaro
Jerijery anao rô za malalako
Ka izeny no mahatônga za mamangivangy anao matetika
vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 06:20
Mahavariana ahy mihitsy ny fitiavan'ny Malagasy ny omby.
@ faritra sasany eto Madagasikara dia betsaka ny olona tsy ampoizina hanana omby betsaka nefa dia manana. Rehefa nataoko aza ny kajy tsotsotra, ka jerena ny vidin'ny ombiny dia tena manankarena tokoa.
Nefa aminy dia ilay fananana omby betsaka ny tena reharehany sy hananany voninahitra eo @ fiaraha-monina.
vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 05:55
Fony nianatra tao @ CEG Antanimena aho taloha dia nanana prof hoe ra-Christopher izay no anarany, mpampianatra tajefy izy, izay taranja nankafiziko tokoa. Nisy fomba filazany ny fahaleovan-tena izay mbola fomba fiteniko foana hatramin'izao.
Ny fahaleovan-tena hoy izy dia toy ny kôfboay mahaleo tena, sady tsy mi-donne no tsy mi-demande
vakiniadiana | 26 Septambra, 2006 06:25
Variana foana aho rehefa mody any an-tanàna mijery ny fahatsoran'ny fiainana any, hita mihitsy ny elanelana misy eo @ renivohitra sy ny ambanivohitra. Tsapako tokoa fa betsaka ny rendrarendra izay ezahan'ny mponina an-drenivohitra ho azo no tsy misy dikany akory ho an'ny tambanivohitra.
Rehefa miverina any an-tanàna aho dia mahazo fifaliana sy fahafenoana satria any no Tanindrazako, zanaky ny tany aho, zanaky ny ala, tamabanivohitra daholo na ny raibeko na ny renibeko, na ny raiko na ny reniko.
Tambanivohitra aho
vakiniadiana | 26 Septambra, 2006 06:10
Ny tenako foana no fanin-tsigara
Mamono eritreritra andro aman'alina
Mitady hamily ny lalan-tantara
Kanefa vao mainka nihitsoka lalina
Miala tsiny @ RADO raha misy diso io nosoratako io
vakiniadiana | 22 Septambra, 2006 09:46
Miarahaba antsika rehetra mamaky ity blaogy ity.
Saika tsy hanokatra blaogy aho fa tapa-kevitra ihany hanokatra mba hizara aminareo izay mba mandalo ao an-dohako ao. Koa dia aza raisina am-po loatra izay holazaiko ato fa dia eritreritra sendra mandalo no ho betsaka ato.
Ny anombohako azy ary dia ity sombin'ny hiran'i Mahaleo ity, ka antsika tsirairay no mapiatra azy @ fiainany avy :
Aza mora taitra, raha tojon'ny mafaitra
Ny ngidy ho lasa ho mamy, ho foana ny tomany
Ka hibaliaka indray ny masoandronay
| « | Septambra 2006 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |