vakiniadiana

Iray isika

vakiniadiana | 17 Septambra, 2007 11:02

rehefa tazanina avy eny an'habakabaka ny tany sy ny olona dia kely dia kely tokoa, tsy misy hanavahana ny tsirairay fa tafaray tokoa.  Fa maninona ary isika no  tsy miezaka hiray fa dia mbola tsy tombo isaina ny elanelana sy ny fankahalana misy ?

 

 (tohiny)

Mitombo ny taona

vakiniadiana | 06 Martsa, 2007 08:30

Tena mitombo ny taona e !

5 taona lasa izay, mbola antsoin'ny olna hoe : ilay bandy iny, mbola nahavita nivoaka boite matetika, mandaha fiara mafy.

 

@ izao efa ataon'ny olona hoe razoky, ny ankamaroan'ny mpiara-miasa miantso ny tena hoe monsieur. tsy dia mahasarika tanteraka koa ny hira mihetsiketsika be raha maharitra ela. ny alahady ihany vao manao jeans, misitrika foana ny lobaka, afaka foana ny volombava. Ny renibeko aza tsy miantso ahy intsony @ fanampin'anarako fa hoe "dadatoa" indray.

 

Mitombo marina ny taona fa tsy mihena

 

Tazana Ambohitrombihavana 

ROJO

vakiniadiana | 12 Febroary, 2007 13:50

Rojo,

anio maraina vao fantatro ny tena anarany nefa efa niserasera t@ solosaina tamiko efa ho 2 taona izay t@ forum iray izay.

Androany maraina koa no henoko fa nodimandry tampoka omaly maraina izy noho ny aretina nahazo azy.

Tonga saina aho fa zava-poana ihany izao rehetra izao fa ny fandidian'Andriamanitra no mandridra ny zava-drehetra ety ambonin'ny tany. Na dia hangataka tombon'andro aza ianao dia tsy maintsy mandeha rehefa tonga ny fiantsoana avy any Ambony.

 

Mandria am-piadanana Rojo

Mandria am-piadanana ry namako.

 

Takona ilay masoandro 

Vontovorona

vakiniadiana | 08 Febroary, 2007 10:27

Izao avy matetika izao ny orana dia mahatsiaro ny fianarana teny Vontovorona taloha aho.

rehefa mikija andro maromaro ny orana, dia efa fantatra fa efa ho tapaka indray ny lalana eo anelanelan'Ampitatafika sy Fenoarivo. rehefa tapaka moa ny lalana dia mandeha mamonjy an'Antananarivo ny mpianatra sasany, ny sasany tsy afaka miala eny @ cité U moa dia mijanona eny ihany. Izaho moa dia afaka nody aty Antananarivo ihany nefa matetika no nijanona teny ihany.

Nahafinaritra tokoa ny ambiance teny @ izany fotoana nahatapaka ny lalana izany, tapaka koa mantsy ny fianarana ka lasa mahazo vacances kely tampotampoka izany. Ny fitsangatsangana teny @ lac, ny fanaovana belote mandramaraina, ny fisotrosotroana, ....

 

vontovorona
 

Mpivaro-tena

vakiniadiana | 08 Desambra, 2006 06:39

Maty teny Anjohy ny fiaran'ny zandriko omaly alina, ka namonjy azy teny aho teo @ 10 alina teo. Nony voavaha ny olana tamin'ny fiara dia narahiko moramora avy aty aoriana izy mandra-pahatongany teny Andravoahangy. Avy eo moa aho dia nanatitra ilay namana iray teny Ampefiloha.

teny an-dalana ho eny Ampefiloha izahay mirahalahy, dia nandalo t@ iny Tsaralalana sy Isoraka iny. Efa mahazatra ahy ny mahita ireo mpivaro-tena @ iny faritra iny, manao ny lahasana rehefa maizina ny andro. Fa ny tena nahataitra ahy omaly dia ny nahitako ankizivavy teo @ 16 na 17 taona teo manao ity asa iray ity. Nony nahita azy aho dia ny tao an-tsaiko dia ny hoe, raha @ andro mazava izao dia tsy fantatra mihitsy hoe mpivaro-tena izy izany.

Ny fanontaniana nipetraka tao an-tsaiko dia ny hoe :

  - Fa naninona loatra no nanjary nanao ity asa ity izy ?

  - Hanao ahoana ny ho aviny ?

Mety ho betsaka ny valin'ireo fanontaniana ireo, fa ny hany nataoko dia ny fangatahana t@ Andriamanitra mba hitahy azy lalandava ka hampihiratra indray ny fiainany

 

Tsy misy fifandraisana @ ilay resaka aloha ity sary ity fa apetrako ihany :

 

 

 

 

Ialahy

vakiniadiana | 05 Desambra, 2006 11:38

Ialahy no fitiavana niafiako hatramin'izay, aina tanjon'ny fiainako

Ialahy no hery hifaharako rahatrizay, saina hampianatra ny lohako

Ialahy no hamerina amiko izay nodisoiko raha nananatra

Eritreritro manontolo, ny fiainako, natokako ho an'ialahy, natolotro ho an'ialahy lahitokako

 

Ialahy no hasambarana notadiaviko efa taona maromaro izay

Ialahy no adim-piainana natrehako nefa tsy nandreraka ny aiko

Ialahy no hamerina amiko izay nodisoiko raha nananatra

Eritreritro manontolo, ny fiainako, natokako ho an'ialahy, natolotro ho an'ialahy lahitokako

 

Raha tsy ho eo intsony aho, i Neny no hitanisa

Ny andro mandalo ihany, tsy maintsy ho faty ihany

 

Hendre tsara

 

hazakazaka 

 

Taolagnaro

vakiniadiana | 04 Desambra, 2006 11:44

Taolagnaro,

Toerana isan'ny tena ankafiziko eto Madagasikara. Mahafinaritra ah ny tsio-drivotra malefaka sy ny tora-pasika @ iny faritra Anosy iny.

Manampy izany ny fihinanana crevettes betsaka sy ny siely

 

 

Fahavaratra

vakiniadiana | 24 Novambra, 2006 06:44

Avy foana ny orana tatoato, efa ao anatin'ny fahavaratra tokoa isika @ izao.

izao vanim-potoana izao no antsoina hoe mantso ahitra any ambanivohitra, tsy dia misy ny voly miakatra, ny lalana ratsy (vao vita t@ tapa-bolana izao ny lalana mankany @ tanananay), feno rano sy fotaka izay diavina.

Rehefa manomboka milatsaka toa izao koa ny orana dia efa mieritreritra fa ho avy tsy ho ela ny krismasy sy ny taom-baovao, izay irina lalandava fa hitondra rivo-baovao @ fiainan'ny tsirairay avy.

 

nisinda ny orana 

Finoana

vakiniadiana | 04 Oktobra, 2006 06:09

 

Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana

Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy

Tsy Andriamanitra mitoko, tsy mpanavaka foko

Tsy mpijery harena na fiavim-pirenena

 

Fa ny Andriamanitra inoako, hantra sady honena

Ka ny olon-drehetra mahazo azy

Tsy mpizara alahelo, tsy namorona helo

Fa izy no fitiavana

 

Ny Andriamanitra inoako, tompon'ny fahendrena

Te hanova izay ratsy mba ho tsara

Tsy mba faly manjera na revolisionera

Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany

 

Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana

Tsy mba mila takalo fa mizara

Ny mandray izay omeny no hany fandreseny

Fa izy no fitiavana

 

 

Ambatovinaky 

 

Vakiniadiana

vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 06:58

 

Any atsinanana any no misy anaran-tany hoe Ambohiveloma

Raha ny anaran-tany no tantaraina hatrany dia ho tapitra ho lany ny fotoana

Ho tapitra ny fetra ry havana rehetra ka dia manao veloma

Tsy ho mandrakizay fa mbola hihaona indray raha mihodina ny taona

 

Izay vitanay androany tsarovinao hatrany fa souvenir ihany

Veloma dia veloma, veloma mbola hihaona, veloma dia veloma

 

Mahafinaritra ahy mihitsy ity hiran'i Erick Manana ity izay taranak'i Vakiniadiana toa ahy ihany koa. Ilay angorodao izany moa dia ahatsiarovako laladava ny jàmà sy ny dihy rehefa famadihana any an-tanàna.


Dihy

Tsy digniko

vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 06:39

 

Tsy digniko arô, tsy digniko ela

Ny tsy hahita anao anaty ny andro maromaro

Jerijery anao rô za malalako

Ka izeny no mahatônga za mamangivangy anao matetika

 

Itasy 

Omby

vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 06:20

 

Mahavariana ahy mihitsy ny fitiavan'ny Malagasy ny omby.

@ faritra sasany eto Madagasikara dia betsaka ny olona tsy ampoizina hanana omby betsaka nefa dia manana. Rehefa nataoko aza ny kajy tsotsotra, ka jerena ny vidin'ny ombiny dia tena manankarena tokoa.

Nefa aminy dia ilay fananana omby betsaka ny tena reharehany sy hananany voninahitra eo @ fiaraha-monina.

 

Omby 

Ra-Christopher

vakiniadiana | 27 Septambra, 2006 05:55

 

Fony nianatra tao @ CEG Antanimena aho taloha dia nanana prof hoe ra-Christopher izay no anarany, mpampianatra tajefy izy, izay taranja nankafiziko tokoa. Nisy fomba filazany ny fahaleovan-tena izay mbola fomba fiteniko foana hatramin'izao.

Ny fahaleovan-tena hoy izy dia toy ny kôfboay mahaleo tena, sady tsy mi-donne no tsy mi-demande

 

Tazana takariva 

Ambanivohitra

vakiniadiana | 26 Septambra, 2006 06:25

Variana foana aho rehefa mody any an-tanàna mijery ny fahatsoran'ny fiainana any, hita mihitsy ny elanelana misy eo @ renivohitra sy ny ambanivohitra. Tsapako tokoa fa betsaka ny rendrarendra izay ezahan'ny mponina an-drenivohitra ho azo no tsy misy dikany akory ho an'ny tambanivohitra.

 

Rehefa miverina any an-tanàna aho dia mahazo fifaliana sy fahafenoana satria any no Tanindrazako, zanaky ny tany aho, zanaky ny ala, tamabanivohitra daholo na ny raibeko na ny renibeko, na ny raiko na ny reniko.

 

Tambanivohitra aho 

 

 ry zalhy

 

Sigara

vakiniadiana | 26 Septambra, 2006 06:10

 

Ny tenako foana no fanin-tsigara

Mamono eritreritra andro aman'alina

Mitady hamily ny lalan-tantara

Kanefa vao mainka nihitsoka lalina 

 

Miala tsiny @ RADO raha misy diso io nosoratako io

 

 Lakan-jejo Sainte Marie

Fanombohana

vakiniadiana | 22 Septambra, 2006 09:46

 

Miarahaba antsika rehetra mamaky ity blaogy ity.

 

Saika tsy hanokatra blaogy aho fa tapa-kevitra ihany hanokatra mba hizara aminareo izay mba mandalo ao an-dohako ao. Koa dia aza raisina am-po loatra izay holazaiko ato fa dia eritreritra sendra mandalo no ho betsaka ato.

 

Ny anombohako azy ary dia ity sombin'ny hiran'i Mahaleo ity, ka antsika tsirairay no mapiatra azy @ fiainany avy :

 

Aza mora taitra, raha tojon'ny mafaitra

Asio siramamy

 

Ny ngidy ho lasa ho mamy, ho foana ny tomany

Ka hibaliaka indray ny masoandronay

 

Ambohibary Manjakandriana 

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb